ANTANANARIVO FANKALAZANA NY ASARAMANITRA/ AKANY FIALOFANA sy AKANY MITSINJO
25.06.2022
Amin’izao asaramanitra izao dia nahatsiaro manokana an’ireo ankizy beazina ao amin’ny Akany Mitsinjo sy Akany Fialofana eto Antananarivo ny Minisiteran’ny Mponina.
Nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia ka nanolotra ireo arendrina ho an’ny ankizy ny Sekretera Jeneraly RAKOTONIRINA Patricia notronon’ireo mpiara-miasa.
Ankizy miisa 163 no nomena arendrina, ary tokatrano maro no nomena vatsy entina miatrika ny fety.