ANTANANARIVO | FIHAONAM-BE HO AN’IREO TALEM-PARITRA SY IREO TOMPONANDRAIKITRA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY MPONINA – J3
Androany no andro faha-3 izay mamarana ny fihaonam-be tamin’ireo talem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina eto Antananarivo.
Fotoana izay namelabelaran’ny Talen’ny Kabinetra RAMANANIRINA Yan Wilfried ny politikan’ny Minisiteran’ny Mponina izay mifandray amin’ny Velirano faha-8 nataon’ny Filoha Andry RAJOELINA.
Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Vovonan’ny Mponina Liam-Pandrosoana (VMLP) izay mampivondrona ny Viavy Miavotra sy Lehilahy Mandray Andraikitra ary ny Fikambanan’Olon-kendry no entin’ny Minisiteran’ny Mponina manatanteraka izany politikam-pandrosoana izany.