ANTANANARIVO | FIZARANA FITAOVANA SAMIHAFA HO AN’IREO TOKANTRANO SAHIRANA ARA-PIVELOMANA AO AMIN’NY BORIBORITANY FAHA-5
ANTANANARIVO | FIZARANA FITAOVANA SAMIHAFA HO AN’IREO TOKANTRANO SAHIRANA ARA-PIVELOMANA AO AMIN’NY BORIBORITANY FAHA-5
Tokantrano miisa 192 tena sahirana avy ao amin’ny Boriboritany faha-5 no nandray ny fanampiana avy tamin’ny Masoivohon’ny Chine eto Madagasikara. Fitaovam-pianarana, kitapo, kilalao, baolina ary lay misy ody moka no nozaraina ho azy ireo. Tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, izay nisolo tena ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina.
Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Masoivohon’ny Chine ary ny Croix rouge Malagasy no nahafahana nanatanteraka ny hetsika.