« AROVANTSIKA GNY OLO VARIRA FA OLOMBELO MANAHAKY ANTSIKA AVAO KOA »
Notanterahina anio tao Taolagnaro ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho fanentanana momba ny Varira.
Tanjona ny ampitsaharana ny fanilikiliana ireo olona varira sy ny herisetra hatao amin’izy ireo. Notanterahina nandritra izany ny fanentanana mahakasika ny fijaliana sy ny fitaintainana mianjady amin’izy ireo noho ny toe-batany.
Andiany voalohany ho an’i Madagasikara ity notontosaina tao Taolagnaro ity izay toerana anisany nahitana tranga herisetra betsaka natao amin’ireo olona varira.
Nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia notronin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila avy amin’ny Faritra Androy sy Anosy ary Boeny.