ASA AVOTRA TAO AMIN’NY FARITRA MATSIATRA AMBONY, FOKONTANY ISAHA SY AMBATOVORY, DISTRIKAN’NY FIANARANTSOA
Ny Fokontany Isaha sy Ambatovory, Distrikan’ny Fianarantsoa no nanombohana ny ASA AVOTRA tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Haharitra 20 andro ny tetik’asa ka ireo ankohonana marefo ao an-toerana no hisitraka izany. Tonga nanatrika niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Mponina ireo manam-pahefana tao an-toerana.