Andro iraisam-pirenena hoan’ny Zokiolona,: Zokiolona, aza atao an-kilabao : Notanterahina teto amin’ny Kaomina Ambonivohitra Farafangana ny fankalazana izany, izay notarihin’ny Ramatoa Solom-bavambahoaka voafidy teto amin’ny Distrikan’ny Farafangana RAHERIARIJAONA Regina Clarisse, Andriamatoa Gouverneur Faritra Atsimo-Atsinanana, Préfet Farafangana, Ben’ny Tanana Kaomina Ambonivohitra Farafangana, ireo Tale-paritra maro, notolorana vary 24 Sacs, siramamy 2 sacs, aro-vava, ary nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho azy ireo, Zokiolona miisa 540 no nisitraka ireo fanomezana ireo, eto dia misaotra ny fitondram-panjakana mahefa sy ireo mpiaramiombon’antoka rehetra tamin’ny fahatotosana ireny hetsika ireny.