COLLOQUE INTERNATIONAL PROTECTION SOCIALE, GESTION DES RISQUES ET DÉVELOPPEMENT DURABLE
08.11.2022
Tanterahina ao Ankatso ny fikaonan-doha iraisam-pirenena mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy manoloana ireo loza voajanahary mihatra eto Madagasikara.
Ny fanatanterahana dia iarahan’ny mpikaroka, ny mpampianatra avy eto an-toerana sy avy any ivelany.
Mandritry ny roa andro no hanatanterahina ity hetsika ity.
Natao izany hahafahana mamoaka tsoa-kevitra sy mametraka paikady entina hanampiana ny Firenena hiroso mankany amin’ny fandrosoana lovainjafy toy ny fizakan-tena ara-tsakafo.
Nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ASSOUMACOU Elia Béatrice.
Nandray anjara feno tamin’izany ny Minisiteran’ny Mponina ka nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisitera RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia.