Ny Firenena mikambana dia nametraka ny datin’ ny 15 oktobra ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny vehivavy ambanivohitra, ary ny 16 oktobra kosa ny andro maneran-tany ho an’ ny sakafo. (Journée Internationale des Femmes Rurales et Journée Mondiale de l’ Alimentation).

Tsy navela handalo fotsiny izany ho an’ ny faritra Boeny, fa dia natambatra ho andro iray ny fankalazana ka nosafidiana ny andro androany 20 oktobra 2023, nanatontosana izany tamin’ ny fomba manetriketrika teto amin’ ny CU Andranofasika. Ka naravona amin’ ny lohahevitra tokana manao hoe : « Fampananan-tany ny vehivavy ambanivohitra, antokin’ ny tontolo lavitrin’ ny mosary sy ny fahantrana ». Izay fiarahamiasa teo amin’ ny Fitaleovam-paritrin’ny Mponina, Fiahiana aratsosialy sy fampiroboroboana ny vehivavy eto amin’ ny faritra Boeny, ny Plateforme KB8M, ny Plateforme 3VHF eto Andranofasika.

Naharitra roa andro ny fankalazana dia ny 20 sy 21 oktobra 2023, ka nahitana hetsika maro samihafa, nialohavan’ ny diabe mamakivaky tananan’ ny Andranofasika sy kabary fanokafana nifandimbiasan’ ny manampahefana teo ambany fitarihany solotenany Governoran’ ny Faritra Boeny, ny solotenany Lehiben’ ny Distrikan’ ny Ambato Boeni, solotenany Rtoa Talemparitry ny Mponina Boeny, ary ny lefitran’ ny Ben’ ny Tanàna mpampiantrano.

Nandritra ny fankalazana dia nisy trano eva nentin’ ireo mpiaramimbon’ antoka nampirantiana ireo Tolotra samihafa
– Marie stops internationale sy FISA : fizahampahasalamana maimaimpoana ny homamiadan’ ny vozon-tranonjaza sy fitiliana VIH/SIDA, fijerena ny tosidrà
– CARE sy ONN : fanapariahana ny fomba fambolena sy fomba fitehirizana ary fanodinana ho sakafo ny ovy ala.
– SMMEC : Nanolotra fiofanana maimaimpoana miompana amin’ ny montage de projet sy gestion simplifiée, ka nisy fizaràna Attestation taorian’ ny fiofanana. Miisa 30 ny fikambanana nisitraka izany fiofanana izany, izay nahitana vehivavy (29) ary lehilahy (1).
– Ny fikambanana AMPISAFY MIANDRA kosa miaraka amin’ ny Plateforme 3VHF no nanao fanentanana momba ny Miralenta sy ny Zon’ ny Vehivavy.