DINIDINIKA AMBANY TAFO TRANO MAHAKASIKA NY FANDRAISANA ANKIZY ENY AMIN’NY TOBY FITAIZANA
Noho ny fankalazana ny Iray Volan’ny Ankizy dia notanterahina tao amin’ny biraon’ny fitalevam-paritry ny Mponina Faritra Atsinanana ny dinidinika sy fifampizarana manodidina ireo fenitra arahina mahakasika ny fitaizana ireo zaza tra-pahasembanana.
Nomarihina nandritra izany fa anisan’ny dingana tsy maintsy hatao ny fananana ireo taratasy ara-dalàna mba afahana mitantana ivotoerana fitaizana ankizy.
Nitarika ny fotoana ka nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Tale Jeneralin’ny Mponina Andry RAKOTONDRAINIBE. Nohamafisiny fa ny fidirana amin’ny sehatra manara-dalàna dia manampy betsaka amin’ny fiarovana ireo toerana fitaizana ankizy.
Anisan’ny fangatahan’ireo mpitaiza ankizy ao amin’ny Faritra Atsinanana ny fisitrahana ny Vatsy Tsinjo sy lamba firakotra mafana amin’izao vanim-potoana ririnina izao.