DISTRICT AMPANIHY …
District AMPANIHY
Sakafo maraina sy hariva ho an’ny olona 2500 nandritry ny roa andro no nokarakaraina tamin’ny fandalovan’ny Minisitra Michelle Bavy Angelica tao Antampolo, District Ampanihy.
Ny andro fahatelo kosa dia nanotrona ny fikarakarana sy fizarana sakafo izay niarahana tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny Minisitry ny Rano Rakotovelomanantsoa Voahary ary ireo manampahefana ao an-toerana izy ka ireo olona tena marefo tao an-toerana no nisitraka izany.