DISTRICT VATOMANDRY …
District Vatomandry,
Tsy namela irery ireo fianakavian’ny mpanjono namoy aina sy mbola manaraka fitsaboana ny Minisiteran’ny Mponina izay nosoloan’ny Talen’ny Kabinetra tena. Nanampy sy nankahery ary nanentana ihany koa izy ny amin’ny fitandremana mahakasika ny fiakaran’ny hazan-drano izay mety hitera-doza amin’ny fahasalamana.