Distrika IKONGO:FITSIDIHANA IREO OLONA TRATRY NY VOINA NAFITSOKY NY RIVODOZA NIFANESY
Manoloana ny takaitra sy ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza nifanesy tao amin’ny Kaominina Ifanirea, distrikan’Ikongo, Faritra Fitovinany dia nidina nijery ifotony nijery ny zava-misy ny iraky ny fitondram-panjakana notarihin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia notronin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC sy ny Tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny PAM eto Madagasikara.
Amin’izao dingana faha-3 amin’ny fitsinjovana ireo mponina ao an-toerana izao, ankoatry ny fanampiana ara-tsakafo dia tokatrano miisa 9662 (olona miisa 48 310) anatin’ny kaominina 7 no nomena tohana ara-bola amin’ny alalan’ny asa atakalo vola mba hahafahany manarina ny fahavoazana taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza. Mbola hitohy io fiaraha-miasa io noho ny fangatahan’ny mponina ao an-toerana.
Misy ihany koa ny fitsidihana ireo toerana simba noho ny fandalovan’ny rivodoza toy ny Sekoly, ny hopitaly…
Notohizana tamin’ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Minisitry ny Mponina sy ireo Fikambanam-behivavy tao an-toerana ny fitsidihana ka hafaliana no nandraisan’izy ireo ny delegasiona. Maro ny zavatra niaraha-nanapaka ka ho ampiroboroboana ao an-toerana ny fikambanana Vaiavy Miavotse izay notolorana lelavola afahan’izy ireo manamafy orina ny fikambanana.
Velom-pisaorana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ireo mponina tao an-toerana noho ny fahatsiarovany azy ireo sy ny fanatanterahany ilay fanamby hoe « tsy misy intsony ny distrika hadino ».