Distrika MANAKARA | Faritra FITOVINANY TETIK’ASA ZARA MIRA
Distrika MANAKARA | Faritra FITOVINANY
TETIK’ASA ZARA MIRA
« Zara mira », tetik’asan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny tohana ara-bola izay atao hitsinjovana manokana ny ankizy sy ny olona manana fahasembanana mavesatra.
Mandritra ny roa taona no hanatanterahana izany ka ankizy miisa 4500 mahery ary ankohonana 1600 no hisitraka ity tetik’asa ity.
Tanjona ny ahafahana mampihena ny tsy fitoviana eo amin’ny fisitrahana ny zo sy ny fanantanterahana ny adidy eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena.
Nandritra izany dia notolorana fanampiana ihany koa ireo zokiolona tao an-toerana.
Nitarika ny fanomboha ity tetik’asa ity tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Kaominina Tataho ny Sekretera Jeneraly, RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia sy ny Tale jeneralin’ny Fiahiana Sosialy eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina, RIVOMANANA Tsarahita Ghisbert izay nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Nanome voninahitra ny lanonana ihany koa ireo manam-pahefana maro tao an-toerana sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.