Distrika Toliara FIAROVANA NY ZON’NY ANKIZY
itra Asimo Andrefana|
Distrika Toliara
FIAROVANA NY ZON’NY ANKIZY
Tao aorian’ny fahitana ilay zazavavy Varira 4 taona izay very tao Toliara dia noraisina an_tanana manontolo ao amin’ny CPCI izy mandrapaha-tongan’ny Ray aman-dReniny.
Noho izany dia nanatanteraka fivoariana ireo mpikambana ao anatin’ny tambazotra miaro ny zon’ny zaza ao Toliara (Fitaleavam-paritry ny Mponina, ny Procureur Général, ny Substitut en charge des mineurs, PMPM, BFP) ny amin’ny fampanajana ny zo sy fiarovana ny ain’io zaza io.
Nisy noho izany ny lamina napetraka hiambenana azy ka ankoatr’ireo Mpiantsehatra ara-tsosialy « Intervenant sociaux » izay miasa ao dia hisy ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena hiandraikitra ny fiambenana ny Ivotoerana mandray ity zaza varira ity.
Nisy ihany koa ireo tanora malala-tanana nanolotra akanjo ka tonga nanatitra izany ho an’ity zaza varira ity.