FAHATSIAROVANA IREO MPIRAY TANINDRAZANA
07 FEBROARY 2009 – 07 FEBROARY 2023
FAHATSIAROVANA IREO MPIRAY TANINDRAZANA
Notanterahina manoloana ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra ny fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana lavo niara-nitolona tamin’ny 07 febroary 2009.
Nanamarika izany ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny amin’ny tsangambato ao Ambotsirohitra.
Nitarika ny fotoana ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary nitondra ny teny fankaherezana ho an’ireo nitondra takaitra sy ireo namoy havana.
Anisany tonga nanatrika izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.