FAMALIFALIANA IREO ANKIZY – NOELY 2022
19/12/2022
Ho fankalazana ny fetin’ny noely dia nisitraka kilalao sy « paniers garnies » ireo ankizy avy ao amin’ny ivotoerana Madcap, Seba Isotry sy ny Association MANAODE.
Ity hetsika ity izay nokarakarain’ny Orange Solidarité Madagasikara dia fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Minisiteran’ny Mponina.
Ankizy miisa 500 mahery no nisitraka ny fanomezana ka isan’izany ireo zaza varira miisa 50.
Ny « orange solidarité » dia manampy sy manohana ireo fikambanana sy ireo ivotoerana mandray sy manampy ireo ankizy iharan’ny herisetra, miaraka miasa amin’ny Minisiteran’ny Mponina.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Tale Jeneralin’ny Mponina RAKOTONDRAINIBE Andry.