FAMARANANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY HATRIK’ASA MAHAKASIKA NY VEHIVAVY SY NY TONTOLO IAINANA
Famaranana amin’ny fomba ofisialy ny hatrik’asa mahakasika ny vehivavy sy ny tontolo iainana
Amin’izao fankalazana ny andro iraisam-mpirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy izao dia nanatanteraka hatrik’asa sy ady hevitra mahakasika ny vehivavy sy ny tontolo iainana teto Antsiranana nandritry ny 3 andro ny Minisiteran’ny Mponina. Niara-nisalahy tamin’izany ny Minisiteran’ny Tontolo iainana, ny PNUD ary ireo manampahefana eto Antsiranana.