FAMARANANA NY FANKALAZANA NY IRAY VOLAN’NY ANKIZY
Ny faritra Atsinanana no nosafidian’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy sy ny Fampivoarana ny Vehivavy hamaranana ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy.
Fitsidihina ny Akany « Refuge d’Aïna » ao Antetezambaro, distrikan’ i Toamasina II, mandray ankizy miisa 135 sy ny Ankany « Orchidée Blanche » ao amin’ny Fokontany Antsarakofafa distrikan’i Toamasina I izay mandray ankizy miisa 25 no notanterahina ny 28 jiona. Ireo Akany ireo dia miahy ireo ankizy marefo sy manana fahasembanana.
Nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny ankizy tao amin’ireo akany ary notolorana kojakoja fampiasa andavan’andro izy ireo.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina ny Tale Jeneralin’ny Mponina, RAKOTODRAINIBE Andry, ny Talé misahana ny Ankizy sy ny Fianakaviana, RAJERISON Miora Fanantenana ary ny Talem-paritry ny Mponina ao amin’ny Faritra Atsinanana BELAZA Guillaume.