FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY BIRAOM-PARITRY NY MPONINA AO ANTANAMBAO MANAMPOTSY – FARITRA ATSINANANA
Notanterahina androany ny fametrahana ny vato fototry ny Biraom-paritry ny Ministeran’ny Mponina ao Antanambao Manampontsy Ambodiazomamy. Nanome voninahitra ny lanonana ireo olo-mana-kaja maro, ny ray aman-dreny ara-drazana sy ireo fikambanam-behivavy ao an-toerana.
Birao 3, toeram-pivoriana 1, toeram-pidiovana 2, birao fitehirizana taratasy 1 ary toerana fandaraisana ireo mpitsidika 1 no hita ao.
Ity fotodrafitr’asa ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina