FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY BIRAON’NY SAMPAN-DRAHARAHA NY MPONINA TAO AMIN’NY DISTRIKA BEFOTAKA – FARITRA ATSIMO ATSINANANA
Notanterahina ny fametrahana ny vato fototry ny biraon’ny Sampandraharahan’ ny Minisiteran’ny Mponina ao Befotaka Atsimo. Nanome voninahitra ny lanonana ireo olo-manankaja maro izay notarihin’Andriamatoa Solom-bavambahoaka voafidy tao an-toerana, Andriamatoa Gouvernoran’ny Faritra Atsimo Atsinana, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitr’i Befotaka Atsimo, ny solotenan’ny Lehiben’ny Distrika, ireo Ampanjaka, Lonaky ary ireo fikambanana sy sampan-draharaha maro.
Birao 3, toeram-pivoriana 1, toeram-pidiovana 2, birao fitehirizana taratasy 1 ary toerana fandaraisana ireo mpitsidika 1 no hita ao.
Ity fotodrafitr’asa ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina.