FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY BIRAON’NY SAMPAN-DRAHARAHA NY MPONINA TAO AMIN’NY DISTRIKA MANANDRIANA – FARITRA AMORON’I MANIA
Notanterahina ny fametrahana ny vato fototry ny biraon’ny Sampandraharahan’ ny Minisiteran’ny Mponina ao Manandriana. Nanome voninahitra ny lanonana ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, ramatoa Lehiben’ny Distrika, ny Lefitry ny Ben’ny tanànan’ny Manandriana, ny Talem-paritry ny mponina ao Amoron’i Mania, ireo sampandraharaham-panjakana rehetra misahana ny Zokiolona, ny olona manana fahasembanana ary ireo fikambanam-behivavy.
Birao 3, toeram-pivoriana 1, toeram-pidiovana 2, birao fitehirizana taratasy 1 ary toerana fandaraisana ireo mpitsidika 1 no hita ao.
Ity fotodrafitr’asa ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina.