FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY BIRAON’NY SAMPAN-DRAHARAHA NY MPONINA TAO AMIN’NY DISTRIKA VOHIBATO – FARITRA MATSIATRA AMBONY
Notanterahina androany ny fametrahana ny vato fototry ny biraon’ny Sampandraharahan’ ny Minisiteran’ny Mponina ao Vohibato. Nanome voninahitra ny lanonana ireo tomponandraikitra maro ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony.
Birao 3, toeram-pivoriana 1, toeram-pidiovana 2, birao fitehirizana taratasy 1 ary toerana fandaraisana ireo mpitsidika 1 no hita ao.
Ity fotodrafitr’asa ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina.