FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY BIRAON’NY SAMPAN-DRAHARAHAM-PARITRY NY MPONINA AO ATSIMO ANDREFANA
Notanterahina ny Zoma tao amin’ny Distrikan’i Benenitra ny fametrahana ny vato fototry ny biraon’ny sampan-draharaham-paritry ny Mponina ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Tonga nanatrika izany ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, notronin’ireo olo-manan-kaja maro ao an-toerana.
Fotodrafitr’asa ahitana toeram-pivoriana 1, birao 3, toeram-pidiovana 2, birao fitehirizana taratasy 1 ary toerana fandraisana ireo mpitsidika 1.
Ity Fotodrafitr’asa ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina.