FAMETRAHANA VATOFOTOTRY NY BIRAOM-PARITRY NY MPONINA AO DIANA
Tontosa tao Anivorano Avaratra, Distrikan’Antsiranana II ny fametrahana ny vatofototry ny biraom-paritry ny mponina ao amin’ny Faritra Diana.Tonga nanotrona izany ireo olo-manan-kaja maro eo an-toerana.
Fotodrafitr’asa ahitana toeram-pivoriana 1, birao 3, toeram-pidiovana 2, birao fitehirizana taratasy 1 ary toerana fandraisana ireo mpitsidika 1.
Ity Fotodrafitr’asa ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina.