FAMETRAHANA VATOFOTOTRY NY IVOTOERANA FIHAINOANA SY FANOMEZANA TOROHEVITRA ARAKA NY LALÀNA
Tontosa ny 30 desambra 2020 tao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy ny fametrahana ny vatofototry ny Ivotoerana fihainoana sy fanomezana torohevitra araka ny lalàna (CECJ : Centre d’Ecoute et de Conseils Juridiques). Nitarika ny lanonana i Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Mponina ANNICK Gilberte izay nisolo tena ny Minisitry ny Mponina, notronin’ireo olo-manan-kaja maro teo an-toerana.
Ivotoerana izay ahitana birao miisa efatra, toeram-pivoriana iray, lakozia sy toeram-pidiovana miisa roa.
Ity ivotoerana ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina.