FAMETRAHANA VATOFOTOTRY NY IVOTOERANA FIHAINOANA SY FANOMEZANA TOROHEVITRA ARAKY NY LALANA AO AMBOASARY ATSIMO
Tontosa ny 21 janoary 2021 ny fametrahana ny vatofototry ny Ivotoerana fihainoana sy fanomezana torohevitra araka ny lalàna ao amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo, Faritra Anosy.
Tonga nanome voninahitra teny an-toerana ny Depiote voafidy tao Tolagnaro, ny Préfet, ny Lehiben’ny Distrika sy ny Ben’ny tanànan’ny Amboasary.
Narahina fanolorana « Kit de dignité » ho an’ireo olona niharan’ny herisetra.
Ny ivotoeana dia ahitana birao miisa efatra, toeram-pivoriana iray, lakozia sy toeram-pidiovana miisa roa.
Tafiditra indrindra anatin’ny tetik’asan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina.