Famindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny Mponina
Tontosa ny zoma 21 aogositra 2020 tolakandro teto amin’ny Minisiteran’ny Mponina ny famindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny Mponina teo aloha NAHARIMAMY Lucien Irmah sy ny Minisitra vaovao ANGELICA Bavy Michelle. Nisaotra ireo mpiara-miasa aminy Ramatoa NAHARIMAMY Lucien Irmah, tamin’ny fiaraha-miasa nandritra izay roa taona sy tapany izay.
Fahavononana hanohy ny asa tsara rehetra kosa no voalohan-tenin-d Ramatoa ANGELICA Bavy Michelle, anatin’ny fanambiny ny hitondra fanatsarana sy fahombiazana hoan’ny minisitera sy ho an’ny vahoaka malagasy izay miandrandra ny minisitera ho tantaniny. « Fitia mifamaly, mahatsara fihavanana » hoy izy nanamafy izany satria ny asa atao anatin’ny fifankatiavana dia ahazoana vokatra tsara tokoa.