FAMINDRAM-PITANTANANA ETO ANIVON’NY MINISITERAN’NY MPONINA
FAMINDRAM-PITANTANANA ETO ANIVON’NY MINISITERAN’NY MPONINA
Famindram-pitantanana telo sosona no natao teo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina ny 21 oktobra 2021.
Noraisina tamin’izany :
– ny Tale misahana ny mponina vaovao Andriamatoa Rakotoarivony Haingonirina,
– ny Tale misahana ny miralenta vaovao Ramatoa Razakarivony Aina Maria,
– ary ny Tale misahana ny fampivoarana ny vehivavy Ramatoa Havanirina Jolcette Emilienne.
Samy naneho ny fahavononany hametraka tantara tsara ary hanatanteraka ny andraikitra napetraka aminy izy ireo.