Fampahafantarana ny tetik’asa« 50 Millions de Femmes Africaines ont la Parole »
Fampahafantarana ny tetik’asa« 50 Millions de Femmes Africaines ont la Parole »
• sehatra nomerika natao ho an’ireo vehivavy mpandraharaha avy amin’ny firenena 30 aty Afrika ka anisan’izany i Madagasikara ;
• manampy ny vehivavy mpandraharaha amin’ny fifanakalozan-kevitra ara-barotra sy fihariana ;
• mampiroborobo ny fianarana, ny fampianarana sy ny fizarana vaovao ary ny fahalalana eo amin’ny samy vehivavy ;
• mampahafantatra ny tetik’asan’ireo mpiray antoka isan-karazany, ireo mpiantsehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ary koa ireo fikambanana miasa amin’ny fampivoarana ny fandraharahan’ny vehivavy.
Ny Minisiteran’ny Mponina izay misahana ny fampivoarana ny vehivavy no tompon’andraikitra voalohany amin’ity tetik’asa ity eto Madagasikara. Miara-misalahy aminy ny Minisiteran’ny Varotra (MICA) sy ny Country Team.
Hitantsika ao amin’ny tranokala « www.connectwomen.org » na amin’ny pejy Facebook « 50 Million de Femmes Africaines ont la Parole-Madagascar »