Fampaherezana ho an’ny fianakaviana manamanjo (Tranga fanolanana ankizy)
Tato ho ato dia hita fa mirongatra ny fanolanana ny ankizy. Raha ny tranga niseho tao Anosibe Antananarivo farany teo dia niafara tamin’ny fahafatesan’ilay zazavavy 7 taona. Nitondra fampaherezana ho an’ny fianakaviana manamanjo ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Mponina. Tsy mitsahatra manentana ny tsirairay ho mailo hatrany indrindra fa ireo ray aman-dreny mba hanaramaso akaiky ny zanany ary handray andraikitra raha misy tranga herisetra miseho.
Entanina ihany koa ny eny anivon’ny fiaraha-monina tsy hisalasala hitoroka eny amin’ny manam-pahefana akaiky. Ny laharana maitso 147 (antso maimaim-poana) dia azo antsoina amin’ny fotoana rehetra raha mila fanampiana, fanampim-panazavana na misy tranga mampiahiahy. Eo koa ny tranokala « arozaza » https://arozaza.mg ahafahana mametraka fitarainana sy fanambarana.