FAMPIOFANANA NY FIKAMBANAN’IREO VEHIVAVY TSY MILEGNALEGNA ETO ANTSIRANANA
Natao tao amin’ny atao amin’ny ivo-toeram-pihainoana sy fandraisana toro-hevitra mahakasika ny lalàna (CECJ) eto amin’ny Faritra DIANA ny Minisiteran’ny Mponina.
Ny tanjona dia ny hahatonga azy ireo ho mpitarika hanentana ireo vehivavy sy ny fikambanam-behivavy eny anivon’ny Fokontany amin’ny ady atao amin’ny herisetra toy ny torohevitra amin’ny fitoriana, fisaraham-panambadiana, lova, herisetra amin’ny ankizy…
Namafisina ihany koa ny fisian’ny laharana maitso 813 sy ny pejy Facebook HERISETRA TEBOKA ho an’ny fitarainana sy fakan-kevitra