FAMPIOFANANA NY TOMPONANDRAIKITRA AVY AMIN’IREO FARITRA VAOVAO MISITRAKA NY TETIKASA HARATON’AINA
08.08.2022 – 19.08.2022
Tanterahina mandritry ny 04 andro ao Manakara sy Antsirabe ary Toamasina ny fampiofanana sy fifampizarana mahakasika ny tetikasa Haraton’Aina ho an’ireo Faritra izay manomboka misitraka izany.
Ireo tomponandraikitra avy amin’ny faritra Amoron’i Mania, Itasy, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Analamanga, Menabe, Atsimo Atsinanana sy Vatovavy ary Fitovinany no voakasik’izany.
Tanjona mandritry ny fiofanana ny hanamafisana ny fahalalan’izy ireo ny Politika sy ny Paikady nasionalin’ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fandrindrana ny Tetikasa Haraton’aina. Izany rehetra izany dia hanamora ny fihatrehan’izy ireo ny andraikitra miandry azy mandavan-taona manoloana ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina eny amin’ny faritra misy azy.
Ireo tomponandraikitra ao anatin’ny tetikasa Haraton’aina avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina iraky ny Ministra SOAFILIRA Princia no nanao ny fiofanana sy nampita ny traikefa ho azy ireo.