06.07.23
FAMPIVOARANA IREO VEHIVAVY.

Tontosa tao amin’ny CU Amparafaravola sy CR Morarano chrome ny fampiofanana momba ny ยซย Cuisine et Pรขtisserieย ยป, izay niarahana tamin’ireo ยซย VIAVY MIAVOTSAย ยป tany amin’ny 08 Martsa Nasionaly Antananarivo farany teo. Navitrika ireo Vehivavy sy Fikambanam-behivavy satria tonga marobe izy ireo ary vonona hiarina amin’ny fiainany taorian’ny fampiofanana.

Natao izao fifampizarana traikefa izao mba hanatrarantsika ny velirano faha-8 dia ny fampizakan-tena ireo Vehivavy eo anivon’ny ankohonan’izy ireo tsirairay avy.

Tonga nanome voninahitra izany moa ny Talem-paritry ny Mponina, ny Talem-paritry ny Fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak’asa, ny Lehiben’ny Distrika Amparafaravola, ny Tale Kabinetran’i Faritra Alaotra Mangoro, ny Ben’ny Tanร na .