FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY » Femme : levier de développement durable à Madagascar «
D.R.P.P.S.P.F – BOENY
S.D.P.P.S.P.F – MAHAJANGA I
06 – 07 – 08 Septembre 2023
FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY
Fampiofanana an’ ireo vehivavy ho an’ ny tetik’ asa : » Femme : levier de développement durable à Madagascar » nandritran’ ny telo andro izay natao tao amin’ ny efitrano malalaka ny Faritra Boeny.
Vehivavy mihisa 320 avy amin’ ny fikambanana samihafa no nisitraka izany miaraka amin’ ny Association : » Zara Hasina »
Tetik’ asa tohanan’ ny UNESCO ary hiarahana miasa amin’ ny Ministeran’ ny fanabeazana ara-teknika sy fampiofanana arak’ asa, sy ny Ministeran’ ny Mponina, ny Fiahiana ny Sosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ary ny ONG Le Centre d’ Excellence en Entrepreneuriat.
Ny fampiofanana dia miompana amin’ ny fampivoarana ny maha-olona, ny famoronana tetik’ asa ary ny fananganana orinasa.
Isaorana bevata ny :
– Ramatoa Solombavam-bahoaka ny Mahajanga I no sady Filoha lefitra ny Antenimieram-Pirenena.
– Ny Faritra Boeny,
– Ny Ministeran’ ny fanabeazana ara-teknika sy fampiofanana arak’ asa,
– Ny Ministeran’ ny Mponina, ny Fiahiana ny Sosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy.
– Ny UNESCO,
– Ny ONG Le Centre d’ Excellence en Entrepreneuriat,
– Ny Association Zara Hasina.
Izay niara nisalahy ka nahatontosa ny fiofanana mba hanatsaràna sy hampivoarana ny fari-piainan’ ireo Vehivavy.