FANAMARIHANA NY IRAY VOLAN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teto Antananarivo ny atrik’asa fanamarihana ny fankalazana ny Iray Volan’ny Fiahiana ara-tSosialy.
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia notronin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila, ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, ny UNICEF sy ireo rantsana aman-gaika isan-tsokajiny misehatra amin’ny lafiny sosialy.
Anisany tanjona amin’ity fotoana ity no hanavaozana ny Paikadin’ny Fiahiana ara-tSosialy eto Madagasikara.