FANAMBARAM-PANANANA HO AN’IREO TOMPONANDRAIKITRA AO AMIN’NY MINISITERAN’NY MPONINA
10.03.2023
Anisany andraikitra mila ataon’ireo olom-boatendry mitana andraikitra ambony ny fanambaram-pananana mba isian’ny fampangaraharahana amin’ny asam-panjakana.
Manoloana izany dia nanatontosa ny fanambaram-pananana teo anivon’ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (BIANCO) ireo tomponandraikitra voakasik’izany eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina.
Nanamafy ny Tale jeneralin’ny BIANCO fa Tsy hananan-kavana ny ady ary fahavalon’ny Malagasy izay manao kolikoly ka izay indrindra no amporisihana ireo tomponandraikitra ambony ny amin’ny fanambaram-pananana.
Nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia, izay manatanteraka iraka any Atsimo, ireo Tale Jeneraly 3 mianadahy eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina.