Fanampiana ho an’ireofianakaviana eo amin’ny kianja 67 Ha
Nanolotra fanampiana ho an’ireo fianakaviana napetraka vonjimaika eo amin’ny kianja 67HA ireo teratany karana ao anatin’ny fikambanana CIZAMA sy ny fikambanana ZAZAFALY : Lamba firakotra, akanjo, vatomamy ho an’ny ankizy, sakafo in-telo isakerinandro. Isan’ny nahazo fanampiana manokana ireo terabao miisa telo teto amin’ny toerana ity.
Izao hetsika izao dia famaliana ny antso nataon’ny Minisiteran’ny Mponina amin’ireo malala-tanana sy ireo mpiara-miombon’antoka mpiara-miasa amin’ny minisitera. Ireto traboina ireto dia ireo fianakaviana may trano teo Andohatapenaka farany teo. Nanentana sy namporisika Ramatoa Minisitra NAHARIMAMY Lucien Irmah, Minisitry ny Mponina, ny tokony hanarahana ny fandaminana sy fepetra apetraky ny fanjakana ihatrehana izao valan’aretina coronavirus izao. Nanatrika ny fanolorana anio ny avy ao amin’ny BNGRC, CROIX ROUGE, ny minisiteran’ny mponina foibe sy ny avy eo amin’ny faritra Analamanga, indrindra ireo mpitantana sy mpandrindra ny faritra nandraisana ny traboina.