Fananampiana ara-tsakafo (Kaominina Ambanivohitra Ankilimarovatsy Distrikan’Amboasary Atsimo)
ADY ATAO AMIN’NY KERE ATY ATSIMON’NY NOSY
Nisitraka ny fanampiana izay sakafo be hotrik’aina avy amin’ny Fitondram-Panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina izay notanterahin’ny Minisitry ny Mponina Angelica Michelle ny Kaominina Ambanivohitra Ankilimarovatsy Distrikan’Amboasary Atsimo. Fiarahamiasan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy sy ny Fondation BOA. Isaorana koa fanomezan-tanana avy amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-Pirenena izay nosolointenan’i Jeneraly de Brigady Rakotoson Jocelyn Kaomandin’ny « Centre Operationnel » amin’ny Ady atao amin’ny Kere. Efa mizotra an-tsakany sy an-davany ny fametrahana ny vahaolana maharitra ho an’ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankilimarovatsy.