Fananampiana ara-tsakafo (Kaominina Ambanivohitra Behara Distrikan’Amboasary Atsimo)
ADY AMIN’NY KERE ATY ATSIMON’NY NOSY
Tokantrano maro tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Behara Distrikan’Amboasary Atsimo indray no nisitraka ny fanampiana sakafo be hotrik’aina avy amin’ny Fitondram-Panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina izay notanterahin’ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, Ramatoa Angelica Michelle. Izao no tanteraka dia noho ny fiarahamiasa akaiky eo amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fondation BOA. Efa miroso ihany koa ireo lamina hametrahana ny vahaolana maharitra hiadiana amin’ny Kere ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Behara.