Ministère de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme
  • Accueil
  • Actualités
  • Ministère
    • Organigramme
    • Missions et Attributions
    • STAFF du ministère
    • Evènements thématiques
    • Textes et Lois
    • Les Symboles de la République
  • Communiqués
    • Conseil du Gouvernement
    • Conseil des ministres
    • Point de presse
    • Autres
  • Infos MPPSPF
    • Recrutements
    • Termes de Références
  • Programmes PS
    • Vatsin’ankohonanana
    • Asa Avotra Mirindra
    • Fiavota
    • Ndao Hianatra
    • Asa Tanamaro / Asa Fanarenana
    • Toseke Vonje Aigne
    • Tosika Fameno
    • Fiatrehana ny Voina sy Fanarenana
  • Shiny Apps
  • REGISTRE
15 avril 2020

Fananganan-jaza – Lalàna laharana faha-2017 – 014

mppspf Textes et Lois

Lalàna laharana faha-2017 – 014

momba ny fananganan-jaza

 Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona dia nandany nandritra ny fotoam-pivoriany ara-potoana ny 20 Jona 2017 sy ny 30 Jolay 2017

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,

– Araka ny Lalàm-panorenana ;

– Arakan y Fanapahan-kevitra laharana faha- 18 – HCC/D3  tamin’ny  21 Jolay 2017               ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ;

MAMOAKA NY LALANA IZAY TOY IZAO MANARAKA IZAO NY VONTOATINY:

 LOTAHENY VOALOHANY

IREO FEPETRA ANKAPOBENY

 Andininy voalohany- Ny votoatin’ity lalàna ity dia ny hifehy ny fananganan-jaza roa karazana:

  • Ny fananganan-jaza tsotra
  • Ny fananganan-jaza feno na eto an-toerana na iraisam-pirenena.

Ny fananganan-jaza dia rafitra izay miteraka fifamatorana araka ny lalàna fananahana na rohim-pihavanana eo amin’olon-droa, ny mpanangana sy ny natsangana.

Ny fananganan-jaza tsotra dia sora-panekena ara-pitsarana natao na hiteraka amin’olon-droa tsy mifankalala, fatoram-pihavanana na rohim-pihavanana namboarina na hanamafy ny fatoram-pihavanana na rohim-pihavanana efa misy amin’olon-droa ao anatin’ny fianakaviana iray.

Ny fananganan-jaza feno dia rafitra ara-pitsarana iray izay miteraka fifamatorana ara-pananahana eo amin’ny mpanangana sy ny atsangana ka manome an’ity farany ny fizakan-jon’ny zaza teraka ao anatin’ny fanambadiana ara-dalàna. Izany dia avoaka amin’ny alalan’ny didim-pitsarana

Ny fananganana feno ny zaza iray dia mety ho eto an-toerana na iraisam-pirenena.

Ny atao hoe fananganan-jaza eto an-toerana dia ireo mpanangana samy tera-tany malagasy na vahiny ka mipetraka maharitra eto Madagasikara ary ny paikady dia tsy mitondra ny zaza atsangana hivoaka ny taniny.

Ny fananganana dia iraisam-pirenena raha toa ka aorian’ny dingana ara-pitsarana, ny zaza atsangana dia tsy maintsy mifindra any amin’ny firenena vahiny, firenena handray ny zaza.

Ny fananganana anaty fiakaviana dia ny fananganan-jaza ahitana rohi-pihavanana amin’ny mpanananga sy ny atsangana.

 TOKO I

MOMBA NY ZAZA

And.2- Ny atao hoe zaza dia ny olona rehetra latsaka ny 18 taona.

Ny zaza rehetra dia miara-mizaka ny zo tsy misy fanavahana, ary izany dia tsy miankina amin’ny fijerena ny firazanana, ny volon-koditra, ny maha-vavy na lahy, ny fitenenana, ny finoana, ny firehana ara-politika, na hafan’ny zaza na ny ray aman-dreniny na ny mpiahy azy ara-pitsarana, ny fiaviany ara-pirenena, ara –pirazanana na ara-tsosialy, ny tsy fahafahana mizaka zo, ny toe-pananana, ny fahaterahana na toe-javatra hafa.

Amin’ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika azy, ny tombontsoa ambonin’ny zaza no tsy maintsy tandrovina voalohany indrindra.

Manana zo hitombo eo anivon’ny fianakaviana niandohany ny zaza. Raha tsy mahatontosa ny andraikiny amin’ny maha-mpiahy voajanahary ny zaza izy dia adidy sy andraikitry ny fanjakana malagasy ny manampy ny fianakaviana mba ho afaka handray an-tànana ny zanany ary izany dia atao amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha solialy.

Ny manam-pahefana rehetra dia tokony hitandro lalandava, ny amin’ny fepetra mikasika ny zaza, mba ho henoina sy omena zo haneho ny heviny malalaka, araka ny taonany sy ny fahamatorany izy, sady ampahafantarina no  henoina ary avela haneho malalaka ny heviny izy, izay  tsy maintsy omen-danja.

TOKO II

MOMBA NY FIANAKAVIANA

And.3- Ny fianakaviana niandohana dia ireo ray aman-dreny niteraka ny zaza.

And.4- Ny fianakaviambe dia ny fitambaran’ireo ray aman-dreny sy ny fianakaviana akaiky na lavitra ny zaza.

And.5- Ny fianakaviana solony dia izay misolo toerana ireo ray aman-dreny eken’ny lalàna amin’ny fanatanterahana ireo andraikiny. Izany dia mety ho fianakaviana mpiahy na fianakaviana mpanangana.

And.6- Ny fianakaviana mpiahy dia olona ananana fitokisana ka miahy ny zaza ao aminy ary anankinan’ny mpitsara ny ankizy ny zaza izay ao anaty fahasarotana mba hahafahany miaina ankahalalahana izay miteraka fifandraisana toy ny hita ao anaty fianakaviana.

TOKO III

IREO RAFITRA SY IREO ZAVATRA MANOKANA MIKASIKA NY FANANGANAN-JAZA

And.7- Ny Manampahefana Ivony mikasika ny Fananganan-jaza Malagasy, afohezina amin’ ny hoe ACAM, dia rafitra tendren’ny fanjakana mba hampihatra ny andraikitra sy ny asa mifandraika amin’ny fananganan-jaza feno eto an-toerana ireo zaza malagasy, izay raketin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena natao tao La Haye mikasika ny fiarovana ny zaza amin’ny fananganana iraisam-pirenena tamin’ny 29 may 1993 ary ny fanatanterahana ny politikam- piarovana ny zaza tsy eo ambany fiahian’ny ray aman-dreny na mety iharan’izany.

Ireo anjara asa, ny fandaminan’asa ary ireo fomba fampandehanan-draharahan’ny ACAM dia ho ferana manaraka ny rijan-teny amam-pitsipika.

And.8- Ny atao hoe akany mahazo alalana dia rafitra ahitana vondron’olona, manana fahazoan-dalana avy amin’ny fanjakana mba hiahy sy handray an-tanana ireo zaza ao anaty fahasahiranana, marefo na kamboty.

And.9- Ny akany mahazo alalana ho amin’ny fananganan-jaza dia rafitra manana ny fahazoan-dàlana araka ny voalazan’ny andininy faha-8 etsy ambony ary fanampin’izany eken’ny fanjakana mba hiahy ireo zaza tsy manana fianakaviana izay ny fananganana azy no hany tokana ho vinavinam-piainany.

And.10- Ireo vondron’ny rafitra mahazo alalana amin’ny fananganan-jaza (OAA) dia ireo vondrona voatendrin’ny Manapahefana Ivony hanatanteraka ireo andraikitra amin’ny fitondrana ny paikadin’ny fananganan-jaza izay manelanelana ny ACAM sy ny ho ray aman-dreny mpanangana, ho amin’ny fanohizana ny paikady fananganan-jaza

And.11- Ny fahazoan-dàlana mba hanangan-jaza dia ny atonta-taratasy izay milaza fa afaka manangan-jaza ny kandidà iray. Io fahazoan-dàlana io dia tsy midika ho zo hahazo zaza iray. Ho an’ny fananganan-jaza eto an-toerana, io taratasy fahazoan-dàlana io dia omen’ny ACAM aorian’ireo tombana ara-tsosialy sy ara-tsaina atao amin’ny kandidà.

And.12- Ny fanolorana ray aman-dreny dia tolo-kevitra an-tsoratra ataon’ny ACAM hanome zaza fianakaviana iray aorian’ny famakafakana atao amin’ny kandidà ka mamaly ny filàn’ny zaza, arakaraka ireo tatitra ara-tsaina sy sosialy.

Ny fanolorana ray aman-dreny dia fiaraha-miasa iarahan’ny ekipa ahitana karazan’olona mpahay eo ambany fitantanan’ny mpandridra ny ACAM.

Amin’ny fanolorana ray aman-dreny ny zaza voalaza fa atsangana, ny fananganan-jaza eto an-toerana no tsy maintsy atao laharam-pahamehana.

TOKO IV

NY FAMETRAHANA ARA-PITSARANA NY ZAZA

 SOKAJY I

NY FAMETRAHANA AO ANATY FIANAKAVIAMBE

And.13- Raha tsy misy ny fianakaviana niandohana dia tsara ny hametrahana ny zaza any amin’ny fianakaviambe.

And.14- Azo atao ny mametraka ny zaza any amin’ny olona iray ao anaty fianakaviambe araka ny didy avoakan’ny mpitsara ny ankizy, mandritra ny fe-potoana izay tsy mihoatra ny iray taona araka ny iray amin’ny toe-draharaha voalaza manaraka eto :

  • raha toa ka ny fanabeazana azy no tsy voasahan’ny fianakaviana niandohana intsony ;
  • raha toa ka nesorina tao amin’ny fianakaviana niandohana ny zaza ;
  • raha toa ka tsy manana fianakaviana niandohana intsony ny zaza ;

Na izany aza, ny fametrahana vonjimaika dia azo avaozina na miova ho maharitra araka ny fanapahan-kevitra asiana antony araka ny tombotsoa ambonin’ny zaza.

And.15- Raha toa ka mbola manana fianakaviana niandohana ny zaza, ny fe-potoana noferan’ny mpitsara ny ankizy dia trandrahan’ny sampan-draharaha ara-tsosialy mba hamerenana azy eo anivon’ny fianakaviany ary izany dia mba ho fitsinjovana ny tombotsoa ambonin’ny zaza.

And.16- Ny famerenana eo anivon’ny fianakaviana dia midika ho fiverenan’ny zaza tanteraka ao amin’ny fianakaviana niandohana.

SOKAJY II

NY FAMETRAHANA AO ANATY FIANAKAVIANA MPIAHY NA AKANY MPIAHY MAHAZO ALALANA

And.17- Raha tsy misy fianakaviana niandohana na fianakaviambe ny zaza, dia apetraka any amin’ny fianakaviana mpiahy zaza na ny akany mpiahy mahazo alalana avy amin’ny fanjakana ;

And.18- Ny fametrahana ny zaza any anaty fianakaviana mpiahy nahazo alalana na akany fiahiana nahazo alalana dia fepetra vonjimaika noraisin’ny mpitsara ny ankizy araka ny fangatahan’ny sampan-draharaha ara-tsosialy ary miainga avy amin’ny tatitra ara-tsaina sy medikaly sy sosialin’ny zaza sy ny fianakaviany, narafitry ny sampan-draharaha ara-tsosialy, na raha misy fahamaizana avy amin’ny polisy.

Ny tanjona dia mba :

  • hiarovana ny zaza raha toa ka ny filaminany, ny toetra ara-batana sy ara-tsaina, ny fahasalamany na ny fanabeazana azy no voatohitohina.
  • hanomanana ny zaza ho amin’ny famerenana azy ao anaty fianakaviana niandohana na ny fianakaviambe, na raha tsy misy izany dia ao anaty fianakaviana solony.

And.19- Izay fanapahan-kevitra rehetra noraisina mikasika ny fametrahana ny zaza izay dia tsy maintsy anaovan’ny mpitsara ny ankizy tombana matetika araka ny toe-draharaha mifandraika amin’izany fametrahana izany.

Io fandinihana io dia atao isaky ny enim-bolana raha kely indrindra, miainga avy amin’ny tatitra ataon’ny olona na rafitra izay ampiandraiketana ny zaza. Ahitana ny fivoaran’ny fiainan’ny zaza sy ny fianakaviana izany tatitra izany.

And.20- Ny didy fametrahana ny zaza ataon’ny mpitsara ny ankizy dia tsy maintsy mifanaraka, amin’ny fepetra sy ireo andraikitra azo tsapain-tanana, amin’ny fianakaviana eken’ny lalàna izay mametraka sy manohy ny fanatanterahana ny fahefana maha-ray aman-dreny sy maneho amin’ny fomba mendrika ny firaiketany amin’ny zaza sy ny fahazotoany mamita hatramin’ny farany ny fomba izay mitondra amin’ny fametrahana ny zaza.Ireo hevitra mifandraika amin’izay lazaina fa fepetra sy andraikitra dia voarakitra amin’ny fitsipi-dalàna.

And.21- Ny tsy fanatanterahana miverimberina ataon’ny ray sy/na reny ireo fepetra sy andraikitra ireo ka asehon’ny mpitsara dia maneho ny tsy fitiavana ny zaza izay mamaritra ny tsy firaharahian’ny ray aman-dreny  dia mitarika ny fanalana ny fahefana maha-ray aman-dreny.

And.22- Ny zaza apetraka ara-pitsarana dia tsy azo atsangana raha tsy ao ireo fepetra voalaza amin’ny didy amin’ity lalàna ity.

TOKO V

NY FANAMBARANA NY TSY FISIAN’NY FIAHIANA NY ZAZA  ARA-PITSARANA

And.23- Tsy azo ambara ara-pitsarana ho tsy misy mpiahy ny zaza iray, na tsy fantatra aza ny ray sy ny reniny.

And.24- Ny fanapahan-kevitry ny mpitsara izay manambara fa tsy misy mpiahy ny zaza dia tsy azo avoaka raha tsy misy :

  • fitanana an-tsoratra izay mamaritra ny famotorana sy ny taratasy milaza ny fikarohana nataon’ny polisy mba hitadiavana ny fianakaviana niandohana
  • ny taratasy milaza ny fitsaharan’ny fikarohana
  • ny taratasy milaza ny fikarohana tsy nahitam-bokany miainga avy amin’ny tatitra mifanaraka amin’ny fitadiavana, izay natao tao anatin’ny fe-potoana telo volana raha kely indrindra, nanomboka tamin’ny nandraisan’ny mpiandraikitra ny fikarohana ny findikan-dalàna ny raharaha.

And.25- Raha ny mpitsara ny ankizy no milaza fa tsy misy mpiahy ny zaza iray, apetrany any amin’ny akany mpiahy nahazo alalana ho amin’ny fananganan-jaza ny zaza, izay ananany fahefana na raha tsy misy izany dia izay akaiky azy indrindra.

Toloran’ny mpitsara fahefana mitovy amin’ny andraikitry ny maha-ray aman-dreny azy ny akany nahazo alalana.

And.26- Tsy azon’iza n’iza atao ny mitaky zavatra sy/na vola na tombontsoa hafa izay tsy tokony ho azo noho ny fametrahana zaza any amin’ny fianakaviana mpiahy na akany nahazo alalana, na mandritra ny paikady anaovana ny fananganan-jaza, henjehin’ny lalàna ary voasazy asa an-terivozona voafetra izay olona tratra manao izany.

Raha nataona olon-tokana izany fandikana izany, ny sazy mihatra dia izay voatondron’ny andininy faha-22 ao amin’ny lalàna laharahana faha-2014-040 tamin’ny 20 janoary 2015 mikasika ny Ady amin’ny famarinan’olona ho amin’ny fanararaotana.

Raha toa ka vondron’olona kosa no nadika izany, ny sazy mihatra dia izay voalazan’ny andininy faha-30 ao amin’ny lalàna laharahana faha-2014-040 tamin’ny 20 janoary 2015 mikasika ny ny Ady amin’ny famarinan’olona ho amin’ny fanararaotana.

Ireo rehetra fandikan-dalàna sy ny fitsipika mahakasika ny fananganan-jaza voalaza tamin’ity lalàna ity dia voafaritra ho fananganan-jaza tsy ara-dalàna voafaritra sy voasazin’ny andininy faha-23 n’ny lalàna laharana faha-2014-040 tamin’ny 20 janoary 2015 mikasika ny ny Ady amin’ny famarinan’olona ho amin’ny fanararaotana.

LOTAHENY II

NY MOMBA NY FANANGANAN-JAZA

 And.27- Ny fananganan-jaza dia isan’ireo raharaha farany amin’ireo fepetra na vinavinaina ho fiarovana ny zaza tsy manana fianakaviana, araka ny fepetry ny ho fanampiny

TOKO I

MOMBA NY FANANGANAN-JAZA TSOTRA

SOKAJY I

IREO FEPETRA MIKASIKA NY FANANGANAN-JAZA TSOTRA

And.28- Ny fananganana tsotra dia misokatra ho amin’ireo mpanangana, ireo olona lahy na vavy feno 21 taona raha kely indrindra.

And.29- Ny fananganan-jaza tsotra dia tsy misokatra raha tsy amin’ireo olona manana ny zom-pirenena malagasy, mipetraka maharitra eto Madagasikara. Ny fananganana tsotra ho an’ny olon-dehibe dia mety ho eto an-toerana na iraisam-pirenena.

And.30- Raha zaza no atsangana ka voasoratra amin’ireo ray aman-dreniny izy dia tsy maintsy manome ny fankatoavany tsirairay avy izy ireo.

Raha misoratra amin’ny reniny fotsiny ny zaza, ny fankatoavana ataony dia ampy.

And.31- Raha toa ka maty ny iray amin’ireo ray aman-dreniny na tsy afaka maneho ny heviny, ny fankatoavan’ny iray amin’izy ireo dia ampy.

Raha samy efa maty izy ireo na samy tsy afaka maneho ny heviny dia ny fankatoavan’izay olona manana fahefana amin’ilay zaza araka ny lalàna na ny fomba amam-panao dia ampy.

And.32- Araka ny voalazan’ny andinin’ny faha-3 sy faha-36 amin’ny lalàna laharana faha-61-025 tamin’ny 9 oktobra 1961 mikasika ny sora-piankohonana, ny fananganan-jaza tsotra dia anaovana fanambarana fananganana eo anatrehan’ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana ao amin’ny toeram-ponenana  mahazatra ny mpanangana.

And.33- Ny fanambarana dia ataon’ny mpanangana eo anatrehan’ny natsangana, vavolombelona roa mihoatra ny 21 taona izay nofantenana raha ny tokony ho izy tamin’ireo olona ao amin’ny fianakavian’ny natsangana, sy eo anatrehan’ny olona izay nilaina ny fankatoavany, afa-tsy hoe, efa nomeny tamin’ny alalan’ny sora-to na soratra notoavina izany.

SOKAJY II

IREO VOKATRY NY FANANGANAN-JAZA TSOTRA

And.34- Tsy manapaka ny rohim-pihavanana amin’ny fianakaviana niandohana ny fananganana tsotra.

Na izany aza, ny fahefana maha-ray aman-dreny izay ahatra aminy araka ny lalàna, ny fomba amam-panao, dia azon’ny manana izany afindra amin’ny mpanangana.

And.35- Ny fananganan-jaza tsotra dia miteraka ho andraikitry ny mpanangana sy tombotsoan’ny atsangana, adidy ara-tsakafo, fikarakarana sy fanohanana. Na izany aza tsy voatery hanome izany ny mpanangana raha tsy hoe tsy afaka mahazo izany avy amin’ny fianakaviana niandohany ny natsangana.

Raha toa ka feno taona na tonga taona ny natsangana, dia ifamaliana ny adidy aman’andraikitra.

And.36- Ny fepetran’ny lalàna laharana faha-68-012 tamin’ny 4 jolay 1968 mikasika ny fandovàna, ny didim-pananana ary ny tolotra no mamaritra ny zom-pandovan’ny natsangana sy ny mpanangana tera-tany malagasy.

And.37- Ny fananganan-jaza tsotra dia tsy azo fafàna na foanana raha tsy misy antony mavesa-danja voalanjalanja mazavan’ny manam-pahefana ara-pitsarana mahefa.

And.38- Ny fanafoanana ny fananganana noho ny tsy fanarahana ireo fitsipika mipaka amin’ny votoatin-draharaha na mikasika fombamba dia azon’ireo voakasiky ny raharaha na izay manana tsombotsoa amin’izany na ny fampanoavana atao, araka ireo fitsipika voalazan’ny paikady amin’ny lalàna fampihatra andavan’andro.

Na izany aza, ny fanafoanana noho ny tsy fisian’ny fankatoavana dia azo hamarinina.

TOKO II

MOMBA NY FANANGANAN-JAZA FENO

And.39- Ny fangatahana fananganan-jaza feno rehetra, na ny eto an-toerana  na ny iraisam-pirenena dia tsy maintsy ampandalovina ao amin’ny ACAM izay hany mahazo mahafantatra izany mialohan’ ny paikady ara-pitsarana, voasazy tsy horaisina izay rehetra fangatahana eo amin’ny fitsarana mivantana.

And.40- Ny fananganan-jaza feno iraisam-pirenena dia tsy azo atao raha tsy voamarina sy tapitra ireo fahafana mametraka zaza, na ny fanganana eto an-toerana. Izany dia tsy maintsy mamaly ny maha-ambony ny tombotsoan’ny zaza.

And.41- Ny fanambarana ny zaza azo atsangana dia ny ACAM no manana fahefana mamoaka ny lisitra eto amin’ny tanin’ny malagasy.

Ireo fangatahana fananganan-jaza any amin’ny fitsarana ka tsy hita ao anatin’izany lisitra izany dia tsy azo raisina.

SOKAJY I

MOMBA NY FANKATOAVANA AMIN’NY FANANGANAN-JAZA

And.42- Ny hany afaka manangana ny zaza,  dia izay ray sy/na reny na ny olona izay mampihatra ny fahefana maha-ray aman-dreny ka mankato ny amin’ny fananganana eo anatrehan’ireo mpitsara ny ankizy.

And.43- Ny zaza rehetra dia afaka maneho ankahalalahana ny heviny mahakasika  ny fananganana azy, ny mpitsara ny zaza no mahita ny maha mety na tsia  izany fahafahana izany.

And.44- Ireo olona izay nanao ny fankatoavana amin’ny fananganana dia torona  hevitra, ampahafantarina ary homanina amin’ny vokatry ny fankatoavana nataony.

And.45- Ny mpitsara ny ankizy no miantoka fa ny fankatoavana dia natao mazava sy ankahalalahana, tsy angalana sarany na takalo amin’ny fomba hafa.

Io fankatoavana noraisina io dia voarakitra amin’ny didy nasiana antony mazava.

And.46- Raha misoratra amin’ny ray aman-dreny ny zaza, tsy maintsy manome ny fankatoavany tsirairay avy izy ireo.

And.47- Raha misoratra amin’ny reniny fotsiny ny zaza, ny fankatoavany dia ampy.

Ny fankatovana fananganana ataon’ny reny dia tsy azo omena raha tsy aorian’ny fahaterahan’ny zaza ary izany dia atao eo anatrehan’ny mpitsara ny ankizy.

And.48- Raha maty ny iray amin’ireo ray na reny na tsy afaka maneho ny heviny, dia ny fankatoavan’ny iray dia ampy.

And.49- Raha samy maty izy roa na samy tsy afaka maneho ny heviny, ny fankatoavana dia omen’ilay olona izay, araka ny lalàna, ny fomba amam-panao, manam-pahefana amin’ilay zaza.

Raha misy tsy fitovian-kevitra dia ny tombotsoa ambonin’ny zaza no raisina mialoha.

And.50- Raha tsy misy mpiahy ilay zaza, ny fankatoavana dia omen’ny akany mpiahy nahazo alalana, izay ny mpitsara no manendry azy ho manampahefana amin’ny maha-ray aman-dreny.

And.51- Ny fankatoavana amin’ny fananganan-jaza avy amin’ny ray aman-dreny eken’ny lalàna na ny olona mandray ny fahefana maha-ray aman-dreny azy dia tsy azo raisina raha tsy tapitra ny fe-potoana enim-bolana manomboka amin’ny datin’ny didy fametrahana vonjimaika ny zaza any amin’ny akany mpiahy mahazo alalana.

Amin’ny fiafaran’io fe-potoana io, ny fankatoavana ny fananganana nataon’ny ray aman-dreny eken’ny lalàna na ny olona mandray ny fahefana maha-ray aman-dreny dia azo raisina eo anatrehan’ny mpitsara ny ankizy.

And.52- Ny olona izay nilaina ny fankatoavany dia afaka misintona izany ao anatin’ny fe-potoana telo volana manomboka amin’ny vanin’andron’ny didy voatondron’ny andininy voalaza etsy aloha araka ny fombafomba teo ihany.

And.53- Amin’ny fiafaran’io fe-potoana io raha tsy nanao io fisintonana io izy, dia tanteraka ny fankatoavana. Alefa any amin’ny ACAM ny atonta-taratasin’ny zaza.

And.54- Ny momba ny zaza voalaza ara-pitsarana fa tsy misy mpiahy, ao amin’ny fepetra voatondron’ny andininy faha-23 hatramin’ny faha-25 etsy ambony, ny fankatoavana amin’ny fananganana omen’ny akany mahazo alalana ho amin’ny fananganan-jaza dia tsy voakasik’io fe-potoan’ny fisintonana io.

SOKAJY II

IREO FEPETRA MIKASIKA NY MPANANGANA

 ZANA-TSOKAJY I

IREO FEPETRA IRAISANA

And.55- Ireo fananganan-jaza feno dia misokatra ho an’ireo mpivady lahy sy vavy ka ny iray amin’izy mivady dia feno 30 taona raha kely indrindra sy 55 taona raha be indrindra amin’ny datin’ny nametrahana ny atotan-taratasy fangatahana fananganan-jaza ao amin’ny ACAM :

  • izay amin’ny andron’ny fananganana, telo raha be indrindra ny zaza velona iandraiketana, na dia mbola an-kibon-dreniny aza ny iray amin’izy ireo araka ny hevitry ny andininy faha-8 amin’ny lalàna laharana faha-63-022 tamin’ny 20 novambra 1963 mikasika ny fananahana, ny fandroahana ary ny fiandraiketana
  • manana ny fahazoan-dalana nomen’ny fahefana ivon’ny firenena ipetrahany.

ZANA-TSOKAJY II

IREO FEPETRA MANOKANA MIKASIKA NY FANANGANAN-JAZA ETO AN-TOERANA

And.56- Ny fananganan-jaza eto an-toerana dia misokatra ho an’ny mpivady ara-dalàna lahy sy vavy :

  • tera-tany malagasy sy monina eto Madagasikara
  • ny iray na izy roa dia tera-tany vahiny sy amin’ny andron’ny fametrahana ny fangatahana fananganan-jaza ao amin’ny ACAM mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:
  • monina maharitra mandritry ny dimy taona farafahakeliny eto Madagasikara ;
  • samy tompon’ny karatra maha-mponina eto Madagasikara izay ny datin’ny nakana azy dia manaporofo ny faharetan’ny fipetrahan’ny tsirairay teto Madagasikara ;
  • sy nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Fahefana Ivony ny fireneny mba ho kandidà ho amin’ny fananganan-jaza mifanaraka amin’ny lalàny ;
  • nahazo fahazoan-dalana nomen’ny ACAM aorian’ny tomban’ireo fepetra andraisany zaza atsangana aroson’ny mpangataka eo amin’ny lafiny fianakaviana, fanabeazana ary ara-tsaina.

ZANA-TSOKAJY III

IREO FEPETRA MANOKANA MIKASIKA NY FANANGANAN-JAZA IRAISAM-PIRENENA

  • 57- Ny fananganan-jaza iraisam-pirenena dia misokatra indrindra indrindra ho an’ny mpivady lahy sy vavy ara-dalàna izay mamaly an’ireto fepetra mitovy amin’ny voasoratra ao amin’ny andininy faha-55, mipetraka any amin’ny fienen-kafa mampihatra ny fifanarahana iraisam-pirenena tany La Haye tamin’ny 29 may 1993 mikasika ny fiaraha-miasa sy ny fiarovana ny ankizy eo amin’ny fananganan-jaza iraisam-pirenena
  • tera-tany malagasy
  • na ny iray fara-faharatsiny tera-tany vahiny.

Ireo kandidà dia tsy maintsy manaraka ireto fepetra manaraka ireto :

  • ny lalàn’ny fireneny dia manaiky ny fananganan-jaza feno
  • mameno ireo fepetra fototra takin’ny lalàn’ny fireneny

And.58- Raha maty mandritry ny fotoana andehanan’ny raharaha eo anoloan’ny fitsarana ny iray amin’ny mpivady mpanangana dia tsy afaka manohy intsony ny fangatahana ny iray sisa tavela.

SOKAJY III

IREO FEPETRA MIKASIKA NY ATSANGANA

And.59- Ireto ihany no azo anaovana fananganana feno raha toa ka latsaky ny 15 taona ireo zaza :

  • natolot’ireo ray aman-dreny ara-dalàna an-tsitra-po any amin’ireo rafitra nahazo alalana na tsy misy mpiahy na ray na reny tsy fantatra na samy efa maty ;
  • nanaovana fametrahana ara-pitsarana any amin’n akany mpiahy nahazo alalana ho amin’ny fananganan-jaza ;
  • voalazan’ny ACAM fa azo atsangana sy voasoratra ao amin’ny lisitry ny zaza azo atsangana.

SOKAJY IV

NY MIKASIKA NY PAIKADY ARA-PITONDRA-DRAHARAHAN’NY FANANGANAN-JAZA FENO

And.60- Tsy maintsy iarahan’ny mpivady manao ny fangatahana fananaganan-jaza.

And.61- Ny atotan-taratasy fangatahana fananganan-jaza dia tsy maintsy ahitana ireo taratasy takiana izay nofaritan’ny didim-panjakana noraisina tao amin’ny filan-kevitry ny Governemanta.

And.62- Amin’ny paikady anaovana ny fananganan-jaza eto an-toerana, ny fianakaviana mpangataka dia mandefa avy hatrany any amin’ny ACAM ny fangatahany.

And.63- Amin’ny paikady anaovana ny fananganan-jaza iraisam-pirenena, ny Fahefana Ivony na ny OAA no mandefa ny atotan-taratasin’ny fianakaviana any amin’ny Minisiteran’ny Raharaha-bahiny malagasy izay mampita izany any amin’ny ACAM.

And.64- Ao aorian’ny fanoroana sy raha voamarina fa azo raisina ny fangatahana, dia afaka miroso amin’ny fanoloron-jaza amin’ny alalan’ny filàna manokan’ny zaza voasoratra ao amin’ny lisitry ny zaza azo atsangana.

And.65- Ny vinavinam-panolorana dia alefa mba ho fampilazana ny akany mpiahy nahazo alalana amin’ny fananganan-jaza manana taratasy fiahiana ny zaza sy any amin’ny rafitra fakan-kevitra iraisan’ny minisitera alohan’ny andefasana azy any amin’ny fianakaviana mpangataka ho ekeny.

And.66- Eo am-pandraisana ny fanekena, ny ACAM dia mandefa ny atotan-taratasy mikasika ny paikady fananganana any amin’ny filohan’ny fitsarana misy ny toeram-ponenan’ny zaza.

And.67- Amin’ny paikadin’ny fananganan-jaza eto an-toerana, amin’ny fanekena ny vinavinan-panolorana ataon’ny fianakaviana mpanangana sy amin’ny fangatahana, ny zaza dia apetraky ny mpitsara ny ankizy ho amin’ny fananganana.

SOKAJY V

NY MIKASIKA NY PAIKADY ARA-PITSARANA MOMBA NY FANANGANAN-JAZA FENO

And.68- Vao voamarin’ny fitsarana ny atotan-taratasy, dia ampidirina amin’ny fotoam-pitsarana voalohany araka izay azo atao.

And.69- Ny atotan-taratasy mikasika ny fananganan-jaza dia alefa any amin’ny fampanoavana izay tsy maintsy mandray ny takiny ao anatin’ny fe-potoana 3 andro naharaisana ny atotan-taratasy.

And.70- Amin’ny paikady fananganan-jaza iraisam-pirenena, hisy fotoana iray volana (1 mois) hiaraha-mipetraka izay omen’ny mpitsara hoan’ny mpanangana mba hampisy fifandraisana eo amin’ny mpianakavy.

Izany dia miantomboka eo amin’ny fisehoan’ny mpanangana sy ny zaza, voalohany, eo anatrehan’ny mpitsara.

And.71- Ny mpitsara dia manendry araka ny tolo-kevitry ny ACAM, mpiasa ara-tsosialy na raha tsy misy dia olona mahay ny mikasika ny ankizy manokana izay manana fahaizana mikasika ny ara-tsaina ilaina mba hanantanteraka ny fepetra sy ny fanaraha-maso ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fitsidihana ny toeram-ponenany.

.And.72- Alohan’ny fanatanterahana ny fe-potoan’ny fiaraha-mipetraka, hisy tatitra alefan’ny mpiasa ara-tsosialy any amin’ny mpitsara izay ahitana ny fanazavana hentitra milaza ny fanapahan-keviny.

And.73- Ireo mpanangana dia afaka miverina amin’ny heviny mandritry ny fotoam-piaraha-miaina. Io fanapahan-kevitra io dia raketina amin’ny alalan’ny didy avoakan’ny mpitsara.

And.74- Eo amin’ny fihemoran’ny mpanangana, ny mpitsara dia mandray ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tombotsoa ambony ny zaza mikasika ny fiahiana sy ireo fepetra rehetra mifanaraka amin’izay ilaina amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza.

And.75- Ny raharaha dia atao famotorana araka ny fomba mahazatra ary tsy atao ampahibemaso ao anatin’ny fanajana sy fepetra voalazan’ny andininy faha-2 etsy ambony.

Ny didim-pitsarana dia avoaka ampahibemaso.

And.76- Ny fampahafatarana dia atao ao anatin’ny 5 andro namoahana ny didim-pitsarana

And.77- Ny fangatahana fanovàna didy dia misokatra ho an’ny mpiady afa-tsy ny fanohanana.

And.78- Raha vao vita ny fitsarana amin’ny fananganan-jaza, ny dika mitovy dia alefa mba ho raiketina amin’ny rejisitry ny soram-piankohonana eo amin’ny toerana nahaterahan’ilay zaza.

And.79- Ny mpanao fangatahana no miantoka ny sarany sy ny lany rehetra. Tsy terena ny fakana mpiaro.

SOKAJY VI

NY FITSIPIKA MANOKANA MIKASIKA NY FANANGANAN-JAZA ANATY FIANAKAVIANA

 Ny fananganan-jaza anaty fianakaviana dia ampiharina mitovy amin’ireo fitsipiky ny fananganan-jaza feno ankoatr’ireo izay maningana loatra sy hentitra araka ny voalaza amin’ity lalàna ity.

ZANA-TSOKAJY I

NY MIKASIKA NY FANANGANAN-JAZA ANATY FIANAKAVIANA ETO AN-TOERANA

  • 1 Ireo fepetra mikasika ny mpanangana

And.80- Ny fananganan-jaza anaty fianakaviana eto an-toerana dia misokatra ho an’ireo mpivady ara-dalàna lahy sy vavy sy ho an’ireo olon-tokana raha tsy manambady ilay mpanangana, maty vady na misara-bady.

  • Ny iray amin’ireo mpanangana fara-fahakeliny dia tera-tany malagasy.
  • Ny mpanangana na ireo mpanangana dia tsy maintsy mipetraka eto Madagasikara.
  • 2 Ireo fepetra mikasika ny atsangana

And.81- Ny azo anaovana paikady amin’ny fananganan-jaza anaty fianakaviana eto an-toerana, dia ireo zaza latsaky ny 18 taona voalazan’ny ACAM fa azo atsangana, manana rohi-pihavanana na fifandraisana amin’ny mpanangana :

  • ray sy/na reny velona nefa tsy manana fahafahana mamita ny adidy amin’ny maha-ray aman-dreny azy intsony ka mamela ny zaza ho amin’ny loza.
  • na maty ray sy/na reny.

And.82- Ny fandraisana ny fankatoavan’ny zaza avy amin’ny mpitsara dia voarakitra amin’ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha-43 ka hatramin’ny faha-45 etsy ambony.

And.83- Ny zaza atsangana dia tsy voatery mipetraka any amin’ny akany nahazo alalana.

  • 3 Ny fananganana ny zanaky ny iray amin’ny mpivady

And.84- Ireo fepetra mikasika ny mpivady :

Ny fananganana ny zanaky ny iray amin’ny mpivady dia misokatra ho an’ireo mpivady ara-dalàna lahy sy vavy tsy amerana taona.

And.85- Ny vady rain’ny zaza dia tsy maintsy mankato amin’ny fananganana ny zanany. Io fankatovana io dia raisina eo anatrehan’ny mpitsara ny ankizy.

And.86- Ny fananganana ny zanaky ny iray amin’ny mpivady dia ekena raha ny vady rain’ny zaza no hany misoratra ao anaty sora-piankohonan’ny zaza na hany manatanteraka ny fahefana maha-ray aman-dreny.

And.87- Ireo fepetra mikasika ny zanaky ny iray amin’ny mpivady :

Ny zanaky ny iray amin’ny mpivady dia azo atsangana hatramin’ny 18 taona.

And.88- Ny fankatoavanan’ny zaza afaka maneho hevitra ka  eken’ny mpitsara dia tsy maintsy raisina ao amin’ireo fepetra voalaza amin’ny andininy  faha-44 sy faha-45 etsy ambony.

ZANA-TSOKAJY II

NY MIKASIKA NY FANANGANAN-JAZA ANATY FIANAKAVIANA IRAISAM-PIRENENA

 And.89- Ny fananganan-jaza anaty fianakaviana iraisam-pirenena dia ampiharina mitovy amin’ny lalàna izay mirakitra ny fananganan-jaza iraisam-pirenena afa tsy ireo tsy manaraka ny fepetra mazava voalaza mialoha amin’ity lalàna ity.

And.90- Ny rohi-pihavanana misy eo amin’iray amin’ireo mpanangana sy ny atsangana dia ferana ho hatreo amin’ny antanatohatra faha-3. Ny fanaporofoana io rohi-pihavanana io dia tsy maintsy aseho amin’ny famoronana kopian’ny sora-piankohonana.

And.91- Ireo fepetra mikasika ireo mpanangana dia mitovy amin’izay voalaza ao amin’ny andininy faha-57 etsy ambony.

And.92- Amin’ny fahafatesan’ny mpanangana izay misy rohim-pihavanana amin’ny zaza, azo tohizana ny paikady araka ny fepetra voalazan’ny lalàna ara-pitsika.

And.93- Ireo fepetra mikasika ny atsangana dia mitovy amin’izay voalaza ao amin’ny andininy faha-81 etsy ambony.

ZANA-TSOKAJY III

NY PAIKADIN’NY FANANGANAN-JAZA ANATY FIANAKAVIANA

 And.94- Ny paikady ara-pitondra-draharaha eo amin’ny fananganan-jaza anaty fianakaviana na eto an-toerana na iraisam-pirenena dia mitovy amin’ireo fepetra izay voalaza ao amin’ny andininy faha-60 ka hatramin’ny faha-63 etsy ambony.

 And.95- Ny paikady ara-pitsaran’ny fananganan-jaza anaty fianakaviana dia mitovy amin’ireo fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha-68 sy 69 sy 75 hatramin’ny 79 etsy ambony.

And.96- Ny fanerena eo amin’ny fe-potoana amin’ny fiaraha-miaina voalaza amin’ny andininy faha-70 etsy ambony dia tsy mihatra amin’ny fananganan-jaza anaty fianakaviana.

And.97- Ny mikasika ny paikady amin’ny fananganana ny zanaky ny iray amin’ny mpivady :

Ny fananganana ny zanaky ny iray amin’ny mpivady dia tsy voarakitra ao amin’ny paikady ara-pitondra-draharaha eo anivon’ny ACAM.

And.98- Ny vady mpanangana ihany no mametraka ny fangatahana fananganan-jaza feno ny zanaky ny iray amin’ny mpivady, eo anatrehan’ny fitsarana ambaratonga voalohan’ny toera-ponenan’ny mpivady.

Ny fananganana ny zanaky ny iray amin’ny mpivady dia mitaky miaraka ny fahazoan-dalana hanangan-jaza, sy fepetra haharetan’ny fipetrahany ary ny fanerena ny fanaovana ny tatitra fanaraha-maso ny fananganana.

Izany fananganana izany dia tsy azo atao raha tsy :

  • maty ilay ray na ren’ilay zaza,
  • ny fahefana maha-ray aman-dreny ilay ray na reny no very na natolony malalaka teo anatrehan’nympitsara ny ankizy ny fankatoavany.

SOKAJY VII

IREO VOKATRY FANANGANANA FENO

 And.99- Ny fananganana feno, eto an-toerana na iraisam-pirenena dia mitarika fahatapahan’ny fifamatorana eo amin’ny natsangana sy ny fianakaviany niandohay ary manome ny natsangana ny satan’ny zaza nateraka ara-dalàna eo anivon’ny fianakaviana nanangana.

Na izany aza, ny fananganana feno ny zanaky ny iray amin’ny mpivady dia mampitoetra ny fianahana niandohana amin’ilay vady.

And.100- Ny fananganana feno dia tsy azo tsoahana.

And.101- Tsy azo atohitra ny olon-kafa ny fananganana feno raha tsy amin’ny andro nanoratana ny didy fananganan-jaza ao amin’ny rejisitry ny fiankohonana ao amin’ny toerana nahaterahan’ny zaza.

And.102- Ny ray aman-dreny nanangana dia tsy mainty manatanteraka ireo adidiny maha-ray aman-dreny azy manoloana ny zaza natsangana.

And.103- Ny didy fananganana iraisam-pirenena navoaka teto Madagasikara dia ekena avy hatrany araka ny lalàna amin’ireo firenena hafa izay nankato ny fifanarahana tao La Haye mikasika ny fiaraha-miasa sy ny fiarovana ny zaza amin’ny fananganan-jaza iraisam-pirenena tamin’ny 29 may 1993.

And.104- Hisy taratasy fanamiham-pitoviana mihoatra amin’ny lalàna mihatra sy amin’ny Fifanarahan’ny La Haye mikasika ny fiaraha-miasa sy ny fiarovana ireo ankizy mikasika ny fananganana iraisam-pirenena tamin’ny 29 mai 1993 aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana ahazoana manao fanovàna didy izay avoakan’ny ACAM.

And.105- Amin’ny fivoahan’ny zaza natsangana ny tanin’ny malagasy :

Amin’ny famoahana ny paikady fananganan-jaza iraisam-pirenena, ny fivoahan’ny zaza ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara dia tsy tanteraka raha tsy manana kopian’ny sora-pahaterahana mitondra ny fanamarihana ny fananganan-jaza feno, karatra ahafahana mivoaka ahitana fahazoan-dalana ampy, taratasy fanamariham-pitoviana sy ireo atotan-taratasy ilaina amin’ny fitaterana.

And.106- Ny mikasika ny fanaraha-maso aorian’ny fananganan-jaza :

Ireo mpanangana dia tsy maintsy mandefa aty amin’ny ACAM ny tatitra mifandraika amin’ny fampidirana ny zaza ao anaty fiarahamonim-pianakaviana sy sosialy vaovao ankoatry ny momba ny fananganana ny zanaky ny iray amin’ny mpivady izay ireo fomba sy fahatetehana dia manaraka ny fitsipika ara-dalàna.

LOTAHENY III

FEPETRA SAMIHAFA

 TOKO I

MOMBA NY FANDRAISANA ANJARA ARA-BOLA

 And.107- Mba hamenoana ny sarany sy ny fandaniana mifanaraka amin’ny paikady fananganan-jaza, ny fandraisana anjara ara-bolan’ny mpanangana dia ho faritan’ny didim-panjakana raisina eo amin’ny filan-kevitry ny Governemanta.

TOKO II

MIKASIKA NY BANKY NY FAHAFANTARANA

 And.108- Ny banky ny fahafantarana mikasika ny fanadihadiana momba ny niandohan’ny zaza dia apetraka eo anivon’ny ACAM. Tsiambarantelo ireo fanadihadiana ireo.

Tsy misy afa-tsy izy tompon-tenany sy ny taranany no afaka mizaha izany rehefa nanao fangatahana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany mikasika ny atotan-taratasiny, ary omena didy fahazoan-dalana manokatra ny antotan-taratasiny.

TOKO III

FEPETRA FARANY

And.109- Hisy rijan-teny amam-pitsipika ho raisina raha ilaina ho fampiharana ity lalàna ity.

And.110– Foana izay fepetra teo aloha ka mifanohitra amin’ity lalàna ity indrindra ireo lalàlana laharana faha 2005-014 tamin’ny 07 septembre 2005 mikasika ny fananganan-jaza.

And.111- Havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblikan’ny Madagasikara izao lalàna izao.

Ho tanterahana izany ho toy ny lalàm-panjakana.

 

Antananarivo, faha

Lalàna-fananganan-jaza-2017-014_mg

Loi-n°2017-014_fr

Decret Organigramme Fanampiana CHU Morafeno Toamasina

Related Posts

Textes et Lois

Décret portant création et tenue de l’annuaire des Interventions et du registre des bénéficiaires dans la cadres des actions de Protection Sociale du régime non contributif N°: 2017-844

Textes et Lois

Decret Organigramme

Rechercher

Numéro Vert MPPSPF

Entité de coordination et suivi-évaluation

Entité de mise en oeuve

Partenaires techniques et financières

Structures d’Interventions

  • Village Communautaire
  • Foyer Social
  • Centre de Promotion Socio-économique (CPSE)
  • Centre de Rencontre et de Loisirs des Personnes Agées
  • Centre d’Ecoute et Conseil Juridique (CECJ)
  • Centre de Réinsertion Sociale et Professionnelle
  • Réseaux de Protection de l’Enfant
  • Centre d’Ecoute

Suivez-nous sur :

  • Facebook
  • YouTube

Articles récents

  • Sans titre
  • (pas de titre)
  • FIFANATREHANA TEO AMIN’NY MPIKAMBANA AMIN’NY GOVERNEMANTA SY IREO LOHOLONA
  • FARITRA ATSINANANA | FAMARANANA NY IRAY VOLAN’NY ANKIZY
  • ANDRO FAHAROA AMIN’NY FIFANATREHAN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA SY IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA

Archives

  • juillet 2022
  • juin 2022
  • mai 2022
  • avril 2022
  • mars 2022
  • février 2022
  • janvier 2022
  • décembre 2021
  • novembre 2021
  • octobre 2021
  • septembre 2021
  • août 2021
  • juillet 2021
  • juin 2021
  • mai 2021
  • avril 2021
  • mars 2021
  • février 2021
  • janvier 2021
  • décembre 2020
  • novembre 2020
  • octobre 2020
  • septembre 2020
  • août 2020
  • juillet 2020
  • juin 2020
  • mai 2020
  • avril 2020
  • février 2020

Adresse

Ministère de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme
41 rue, Razanakombana - Ambohijatovo
Antananarivo 101 - Madagasikara

Prochains événements

Pas d'évènements prévus pour le moment.

Les réseaux sociaux du Ministère
Statistique visiteurNombre de visiteurs Aujourd'hui : _ . Nombre de visiteurs par semaine : _ . Nombre de visiteurs par mois : _ .
Ministère de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme
41 rue, Razanakombana - Ambohijatovo. Antananarivo - Madagasikara
@ 2020 MPPSPF