FANANGANANA NY VONDRON’IREO MPANAO GAZETY NAMAN’NY TETIKASA HARATON’AINA
15.12.2022
Tontosa ny dingana voalohany ho fampahafantarana sy fifampizarana mahakasika ny tetik’asa HARATON’AINA.
Ny Haraton’aina dia tetikasam-panjakana izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ka ny Minisiteran’ny Mponina no mandrindra izany ary ny FID no manatanteraka eny ifotony.
Ireto mpanao gazety ireto no hampita vaovao sy hanabe ary hampahafantatra ny fivoaran’ny tetikasa Haraton’aina eto Madagasikara.
Nitarika ny fotoana ka nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Sekretera Jeneraly RAKOTONIRINA Patricia. Tonga nanome voninahitra izany ny solotenan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny FID.