FANAVAOZANA NY LALÀNA 97-044 MAHAKASIKA NY ZON’IREO OLONA MANANA FAHASEMBANANA
06.09.2022
Manatanteraka atrikasa fakan-kevitra ho fanavaozana ny lalàna 97-044 mahakasika zon’ireo olona manana fahasembanana ao amin’ny Arrupe Faravohitra ny Minisiteran’ny mponina miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny CBM sy HI.
Mandritra ny roa andro no hanatanterahana izany.
Nitarika izany ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny mponina izay nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia.