Fandraisaina ireo olona avy any ivelany miverina eto Madagasikara
Mitohy ny fandraisany ireo olona avy any ivelany miverina eto Madagasikara.187 izy ireo no tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato avy any Guangzhu ny alakamisy 10 septembre 2020. Misahana ny fandrindrana, ny fandraisana sy ny torolalana ho azy ireo ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Mponina.
Fanaraha-maso ara pahasalamana iarahana amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana no atao eto voalohany noho ny fisian’ny coronavirus izao. Miara misalahy amin’ny fandraisana ny Minisiteran’ny Mponina, Minisiteran’ny fahasalamana, Minisiteran’ny raharaham-bahiny, CCO, ny avy eo amin’ny fadintseranana, ny Ravinala airports. Fihiboana 4 andro no tsy maintsy ataon’ireto vao tonga ireto mandritra ny fanaraha-maso azy. Mitohy hatrany izao fiaraha-miasa izao isaky ny misy ny fampodiana ireo malagasy avy any ivelany.