Isan’ireo nandray an-tanana ny fikarakarana ireo vehivavy Malagasy miisa 176 nody an-tanindrazana avy any Koweït ny Minisiteran’ny Mponina. Nitarika izany Ramatoa Rova Rabetaliana, Tale Jeneraly misahana manokana ny fiahiana ny vehivavy eto amin’ny minisitera.
Taorian’ny fandraisana ny mombamomba ireto Malagasy notsenaina ireto dia napetraka teny amin’ny toerana manokana hanoizana ny fanarahamaso ara-pahasalamana izy ireo. Niara-nisalahy tamin’izao fandraisana izao ny Minisiteran’ny Fahasalamana, Minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny Minisiteran’ny kolotsaina sy serasera, ny Minisiteran’ny fizahan-tany sy fitanterana, ny BNGRC, ny CCO, ny SEG, ny Minisiteran’ny filaminana sy ny polisin’ny faditseranana, ny OIM, ny OIT, ny SE/BNLTEH.