Mitohy ny fandraisany ireo malagasy miverina an-tanindrazana. 49 izy ireo no tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Sabotsy 29 aogositra 2020 tolakandro. Misahana ny fandrindrana ny fandraisany sy ny torolalana ho azy ireo ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Mponina. Fanaraha-maso ara-pahasalamana iarahana amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana no atao eto voalohany noho ny fisian’ny coronavirus izao. Miara misalahy amin’ny fandraisana ny Minisiteran’ny Mponina, notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Mponina,, Minisiteran’ny fahasalamana,
Minisiteran’ny raharaham-bahiny, CCO, ny avy eo amin’ny fadintseranana, ny Ravinala airports. Andiany fahaenina ity fandraisany an-tanana anio Sabotsy 29 aogositra 2020 ity. Fihiboana 4 andro no tsy maintsy ataon’ireto vao tonga ireto mandritra ny fanaraha-maso azy. Mitohy hatrany izao fiaraha-miasa izao isaky misy ny fampodiana ireo malagasy avy any ivelany.