Fanentanana amin’izao hamehana ara-pahasalama izao
Noho ny fihiboana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, natao ny fanentanana amin’ ny ady atao amin ‘ny coronavirus sy ny fiarovana amin’ ny herisetra. Ny boriboritany faharoa no nanaovana ny hetsika androany zoma 17 jolay 2020. Tamin ‘ny alalan’ ny fiara misy horonam-peo sy hira fanentanana ary fizarana flyers no nanatanterahana izany.
Nampahafantarina ny olona ihany koa ny laharana maitso 147 sy 813, handraisana ireo fitarainana manoloana ny herisetra mitranga mihatra amin’ny ankizy sy vehivavy eny anivon’ ny fiaraha-monina. Ny tanjona dia ny hampihena ny herisetra mianjady amin’ ny ankizy sy ny vehivavy ary ny hahafantaran’ ny olona ireo fepetra rehetra tokony arahina hiarovana amin’ ny coronavirus.
Niara-nisalahy ny Minisiteran’ ny Mponina izay notarihin-dRamatoa Sekretera Jereraly sy ny Talem-paritry ny Mponina eto Analamanga, ny Minisiteran’ ny Fahasalamana, ny Mpitandro ny Filaminana ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Manerana ny Faritra 22 dia ahitana hetsika toy izao avokoa.