FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY 8 MARTSA 2021
« Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy »
Ny fankalazana dia eo ambany fiahian-dRamatoa Mialy Razakandisa Rajoelina, vadin’ny Filohan’ny Repobiikan’i Madagasikara ary tarihin-dRamatoa Michelle Bavy Angelica Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy.
Hiavaka ny fanamarihana ny 8 Martsa amin’ity taona 2021 ity, samy hanana ny fanamarihany eny ifotony ny eny anivon’ny Faritra tsirairay avy eto Madagasikara; ny ivon’ny fankalazana kosa dia ao Antsiranana Renivohitry ny Faritra DIANA.
Ireo hetsika hanamarihana ny 8 Martsa any Antsiranana:
– Fanentanana ho fiarovana ny tontolo iainana
– Fambolen-kazo hameloma-maso ireo « raphia » sy « bamboo » ary koa ny « mangroves »
– fizaham-pahasalamana maimaim-poana momba ireo karazana aretina mpahazo ny Vehivavy sy ny ankizivavy
– Laobary an-dasy hamelabelarana ireo lohahevitra maro mifandraika amin’ny tontolo iainana
– Fanofanana ireo Vehivavy ho mpanentna eny anivon’ny fiarahamonina na « Vehivavy Miatrika »
– Fitetezana Sekoly Ambaratonga Fototra sy Faharoa hanaovana fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra.