FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY NATOMBOKA TAMIN’NY FITSABOANA MITETY VOHITRA
27.02.2023
FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY
NATOMBOKA TAMIN’NY FITSABOANA MITETY VOHITRA
« Fanabeazana ny ankizivavy, fizakan-tenan’ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy »
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny HJRA ny fanamarihana ny fihaonam-be ho ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.
Hetsika maro no entina anamarihana izany toy ity fizaham-pahasalamana maimaim-poana mitety vohitra ity.
Nanombohana ny fankalazana ny rodobe ho an’ny fahasalamana izay niainga teo amin’ny HJRA ka hitety ny boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra izay mitondra ny lohahevitra hoe : »sarobidy ny aiko ».
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ireo mpiara-miombon’antoka maro.
Ho marihina manokana ny 8 martsa eto Antananarivo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izay ho tanterahina eo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohampirenena Mialy RAJOELINA.