FANKALAZANA NY ANDRON’NY VEHIVAVY TAO AMIN’NY COMMUNE RURALE AMBANJAN’NY SAHALAVA, DISTRICT FENERIVE-EST, NIARAHA TAMIN’NY MINISITRY NY MPONINA MICHELLE BAVY ANGELICA
Tao amin’ny Commune Rurale Ambanjan’ny Sahalava, District Fénérive-Est, no nankalazan’ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica ny andron’ny vehivavy rehefa avy nanatanteraka izany tany Antsiranana izy.
Namboly hazo sy nifanatri-tava tamin’ireo fikambanam-behivavy ao anatin’ny Commune miisa 14 ao amin’ny District Fénérive-Est izy. Izany hetsika izany dia narahina fanolorana vilany be izay ho ampiasan’ireo fikambanam-behivavy sy hanaovany asa mampidi-bola.
Nanotrona ny lanonana ny Lehiben’ny Faritra sy ireo Solombavambahoaka ary ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
Nandritry ny lahateny no nanamafisan’ny Minisitra fa ilaina ny fidiran’ireo vehivavy ao anaty fikambanana mba hanamora ny fanohanana azy ireo.