FANKALAZANA NY IRAY VOLANA HO AN’NY ANKIZY
.FANKALAZANA NY IRAY VOLANA HO AN’NY ANKIZY
« Ankizy misitraka ny zony; antoky ny hoavy mamiratry ny Firenena »
Antony : Fifaninanana manao sâry na tononkalo.
Ho fankalazana ny iray volan’ny ankizy, Jona 2020, dia hisy fifaninana manao sary na tononkalo izay karakarain’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ka toy izao manarakaizao ny fepetra arahina amin’izany :
- Mpandray anjara:
Ankizy (lahy na vavy) 5 taona ka hatramin’ny 17 taona izay mizara sokajy roa :
. Sokajy voalohany : 5 taona ka hatramin’ ny 12 taona
. Sokajy faharoa : 13 taona ka hatramin’ny 17 taona - Lohahevitra:
Misy lohahevitra roa ahafahan’ny ankizy hisafidy, na hanao sary izy na hanao tononkalo.
. Lohahevitra mikasika ny fiarovana ny ankizy;
. Lohahevitra mikasika ny fitiavan-tanindrazana sy ny olom-pirenena vanona. - Ny sary na ny tononkalo sanganasan’ny ankizy mpifaninana dia atao ao anaty taratasy fotsy mireff 21sm sy 29,7 sm (A4)
- Mahakasika ny sary :
Ny loko fototra ampiasaina dia ny loko fotsy, mena, maitso. - Mahakasika ny tononkalo :
Ny tononkalo dia tsy tokony hihoatra ny andininy telo ary misy andalana efatra isan’andininy - Tsy asiana marika hamantarana ny mpifaninana ny asasoratra na ny sary
- Atao ao anaty valopy lehibe A4 ny asasoratra na ny sary
- Atao anaty valopy kely mihidy ny anarana sy fanampin’anarana, ny daty nahaterahana ny adiresy mazavan’ny mpifaninana ary ny laharan’ny findain’ny ankizy na ny Ray aman-dReniny.
- Ireo valopy roa samy hafa ireo dia atao ao anaty valopy iray lehibe mihidy
- Ny sanganasa dia aterina eny amin’ ny sampandraharahan’ny Ministeran’ny Mponina ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy eny anivon’ny Distrika
Fe-potoana fandraisana ny sanganasa :
- Ny fandraisana ny sanganasan’ireo ankizy dia eny anivon’ny Masoivohon’ny Ministeran’ny Mponina ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy any amin’ny Distrika manomboka ny zoma 5 jona ary mifarana ny
alatsinainy 15 jona 2020 amin’ny 3 ora tolakandro. - Ny fandraisana ireo sanganasa rehetra avy any amin’ny Distrika dia atao eny anivon’ny Foibem-paritry ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy ny talata 16 hatramin’ny sabotsy 20 jona 2020; Hisy Komity manokana, izay ahitana: ny Solontenan’ny Ankizy, ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolon-tsainà, ny Solontenan’ny Fiaraha-monim-pirenena misahana ny Ankizy, ny Birao mahaleo-tena miady amin’ny Kolikoly (Mpanara-maso), hisahana ny fifantenana ny sanganasan’ny ankizy eny anivon’ny faritra ka ireo (16) enina amby folo mendrika (sary 04 isaky ny sokajin-taona ary tononkalo 04 isaky ny sokajin-taona) no hampiakarina any amin’ny Sekretaria Jeneralin’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, Ambohijatovo Antananarivo;
- Ny fandraisana ny sanganasa voafantina avy any amin’ny Faritra dia hifarana ny alakamisy 24 jona 2020 amin’ny 12 ora antoandro.
- Ny fifantenana ny sanganasa 12 mendrika indrindra (tononkalo 3 sy sary 3 isaky ny sokajin-taona) dia hanomboka ny alakamisy 24 jona 2020 amin’ny 2ora tolakandro ka hatramin’ny asabotsy 27 jona amin’ny 3 ora tolakandro.
- Hisy ihany koa Komity manokana apetraka izay ahitana: ny Solontenan’ny Ankizy, ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolon-tsaina, ny Akademia Malagasy, ny Solontenan’ny Vondron’ny Mpanao Tononkalo, ny Solontenan’ny Vondron’ny Mpanao Sary, ny Solontenan’ny Fiaraha-monim-pirenena misahana ny Ankizy, ary ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Ankizy (UNICEF), hisahana ny fifantenana ny sanganasan’ny ankizy avy any amin’ny Faritra. Ny Birao mahaleo-tena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) no hanao ny fanaraha-maso ny fifantentenana.
- Ny famoahana am-pahibemaso ireo sanganasa roa amby folo (12) mendrika indrindra dia ny talata 30 jona 2020 mandritra ny kabary famarananany lray volana natokana ho an’ny Ankizy.
- Ny sanganasa rehetra voaray dia mijanona ho fananan’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ka azony ampiasaina amin’izay rehetra ilainy azy.
SECRETARIAT GENERAL
Télécharger version pdf (.pdf)